Lalanjaza
Fiseho

Ny lalanjaza dia taova miendrika fantsona voaforon' ny hozatra sy hodimando izay ao anatin' ny rafi-pananahan' ny vavy amin' ny biby sasany, toy ny rafi-pananahan' ny vehivavy. Ao amin' ny biby mampinono dia mampifandray ny vava-pivaviana amin' ny tranonjaza ny lalanjaza. Ao amin' ny vorona sy ny biby mandady na mikisaka kosa dia mampifandray ny tranonjaza amin' ny lavabodiny, izay sady famaniany no fangereny koa izany. Ao amin' ny bibikely sy ny tsy biby tsy manana hazondamosina hafa, ny fivaviana no ampahany farany amin' ny lalan-tsirivavy. Izy io dia mndray anjara amin' ny firaisana ara-nofo ary, amin' ny biby mampinono, amin' ny fiterahana.