Lalam-pirenena faha-2
Fiseho
Ny Lalam-pirenena faha-2 dia lalam-pirenena eto Madagasikara mampitohy an' Antananarivo renivohitra amin' i Toamasina amin' ny morontsiraka atsinanana, mandalo an' i Moramanga sy Brickaville. Manomboka eo amin' ny Place Ambiky ao amin' ny boriborintany voalohany ao Antananarivo izany ary miafara any amin’ ny vakin-tanànan' Mangarivotra any Toamasina, mampitohy amin' ny seranan-tsambon' i Toamasina.