Hankany amin'ny vontoatiny

Lalàna iraisam-pirenena

Avy amin'i Wikipedia

Ny lalàna iraisam-pirenena dia vondrom-pitsipika mifehy ny fifandraisan' ny firenena sy ny fikambanana iraisam-pirenena ary na dia ny olon-tsotra aza. Ny antom-pisian' ny lalàna iraisam-pirenena dia ny hamaritra sy hifehy:

  • ny fahefana rehetra ananan' ny fanjakana rehetra (fahefana ao amin' ny tanim-pireneny, fahefana amin' ny olona ao aminy, fahefana amin' ny asam-panjakana);
  • ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fiaraha-miasa eo amin' ny samy firenena satria izay dia ahafahana mametrahana fifandraisana am-pilaminana sady ahafahana manaraha-maso izany.

Tany am-boalohany dia ny firenena na fanjakana irery ihany no nampiharana ny lalàna iraisam-pirenena, saingy ny fitombo isan' ny fikambanana iraisam-pirenena nandritra ny taonjato faha-20 dia nitarika tsikelikely ho amin' ny fiheverana azy ireo ho anisan' ny fehezin' ny lalàna iraisam-pirenena koa. Eken' ny Fitsarana Iraisam-Pirenena fa anisan' ny fehezin' ny lalàna iraisam-pirenena ny Firenena Mikambana. Manoro hevitra ny fivoarana vao haingana momba io taranja io (lalàna iraisam-pirenena momba ny maha olona, ​​lalàna iraisam-pirenena momba ny zon' olombelona, ​​​​lalàna momba ny varotra iraisam-pirenena) fa ampiharana ny lalàna iraisam-pirenena koa ny olon-tsotra sy ny mpisehatra tsy miankina hafa (fikambanana tsy miankina amin' ny fanjakana, orinasa misehatra amin' ny firenena maro). Mifanohitra amin' ny fototra nentim-paharazana iorenan' ilay taranja anefa ity fanitarana ny sehatra ampiharana ny lalàna irasam-pirenena ity, izay mamela ny sitrapon' izay te ho feheziny, izany dia midika fa afaka mamorona na mampihatra na miantoka ny fampiharana ny fitsipiky ny lalàna iraisam-pirenena ny firenena na fikambanana na olona fehezin' io vondrom-pitsipika io.

Loharanon' ny lalàna iraisam-pirenena ny fifanarahana iraisam-pirenena, ny fomba amam-panao iraisam-pirenena ary ny fitsipika ankapobeny isan-karazany momba ny lalàna. Anisan' ny loharano fanampiny amin' ny lalàna iraisam-pirenena ny fitambaran' ny didim-pitsarana sy ny fotopampianaran' ny mpahay lalàna iraisam-pirenena tena mahafeno fepetra. Misahana ny fifandraisana fehezin' ny lalàna manokana ahitana singa vahiny ao amin' ny firenena kosa ny lalàna iraisam-pirenena mifehy ny tsy miankina. Raha miresaka momba ny lalàna iraisam-pirenena fotsiny, dia ny vondrom-pitsipika fototra mahafaoka sampana maro manana fikendrena manokana ao amin' ny lalàna iraisam-pirenena no tiana hambara amin' izany: anisan' izany ny lalàna iraisam-pirenena momba ny ranomasina, ny lalàna iraisam-pirenena momba ny zon' olombelona, ​​sns.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]