Lailava

Avy amin'i Wikipedia

Ny Lailava na Lehilava dia iantsoana ireo taranak'Ilailava izay mpiandry vavahadin'Andrianampoinimerina teny Ambohimanga. Arak'izany dia isan'ny foko Tsimahafotsy Ilehilava ary hova ny firazanany. Isan'ny tena akaikin'ny fon'Andrianampoinimerina Ilehilava ary nazoto tamin'ny asany ka indray maka raha sendra rendremana teo ampiandrasana vavahady Ilehilava no nandalo Andrianampoinimerina ka notairin'Andrianampoinimerina hoe "Haody ry Ilehilava". Dia namaly Ilehilava hoe "Izaho ihany ity" nefa sady sondriatory ihany izy. Nahavita be tamin'ny asany anefa Ilehilava ka nomen'Andrianampoinimerina fisaorana ka nasainy nitady toerana mba hipetrahany. Dia teo ambany andrefan'Ambohidrabiby no nofidiany ka mbola ao mandrak'ankehitriny ny taranany ary tonga hovalahy manankarena eo.