Hankany amin'ny vontoatiny

Lahinaratra

Avy amin'i Wikipedia

Ny lahinaratra dia mpampita elektrônika na iônika (ohatra, fitaratra), ampiasaina hampifandraisana amin' ny ampahany tsy metaly amin' ny olik' aratra (oh: mpampita tapany, ranonkoto, foana na etona), izay misambotra na mamoaka elektrôna. Ny lahinaratra dia ampiasaina amin' ny fitaovana mpamokatra aratra (toy ny vatoaratra, ny bateria, mpanangona angovon' aratra) ary amin' ny goro fanahotoana, izay mpandray korian' aratra.

Misy karazany roa ny lahinaratra, araka ny tendro ifandraisany, dia lahinabo (mifandray amin' ny tendro miabon' ny mpihary herinaratra) sy ny lahiniba (mifandray amin' ny tendro miiban' ny mpihary herinaratra).

Araka ny zotran' ny rian' aratra nifanarahana dia miditra ao amin' ny goro fanahotoana eo amin' ny lahinabo ny rian' aratra ary mivoaka eo amin' ny lahiniba mba hiverina any amin' ny mpihary herinaratra indray. Mifamadika amin' io ny an' ny vatoaratra sy ny bateria sy ny mitovitovy aminy izay mamokatra aratra.