Lahimbony
Fiseho

Ny lahimbony dia singa ao amin' ny rafi-pananahana lahy amin' ny zavamaniry mamony (na angiospermae). Ity taova ity, miaraka amin' ny singam-bavimbony, dia miantoka ny fitomboan' ny taranaka. Ny lahimbony dia misy tahon-dahimbony sy totsim-bovoka eo amin' ny tendrony, izay mitondra ny kitapo izay mamokatra sy misy ny vovobony. Ny rafi-pananahana lahy amin' ny ankapobeny dia misy lahimbony dimy.