Aller au contenu

Lahasa (fizika)

Avy amin'i Wikipedia
Vesatra sy vy miaina

Ny lahasa dia angovo omen' ny hery iray rehefa mihetsika ny teboka iharany (mihetsika na miova endrika ny zavatra iharan' ilay hery). Izy no mahatonga ny fiovaovan' ny angovon-kalaky amin' ny lamina izay iharan' io hery io. Raha ohatra ka anosika ny bisikileta, ny lahasan' ny tosika dia no angovo vokarin' io tosika io. Ity voan-kevitra hoe "lahasa" dia nampidirin' i Gaspard-Gustave de Coriolis.

Ny heben' ny lahasa dia aseho amin' ny venty joule (J). Amin' ny ankapobeny dia tondroina amin' ny litera W ny lahasa (litera voalohany amin' ny teny anglisy hoe work, midika hoe "asa").