Lagenaria sphaerica

Ny Lagenaria sphaerica dia karazan-javamaniry mpianika, ao amin' ny fianakaviana Cucurbitaceae. Ireo zavamaniry ireo dia hita any amin' ny faritra iva manomboka any amin' ny faritanin' i Eastern Cape ao Afrika Atsimo ka hatrany Afrika Atsinanana. Mety hitombo eny amin' ny lemaka mety tondraky ny renirano na miakatra any amin' ny tampon' ny ala manakaiky an' izany ity karazana ity. Mety ho hita eny amin' ny vondron-javamaniry amorontsiraka koa izy ireo. Amin' ny teny malagasy ity karazana zavamaniry ity dia atao hoe andrivolahy, finga na voandrafy.
Mamokatra vonininy fotsy lehibe izay manintona bibikely maro ity zavamaniry ity. Maitso sady misy pentimpentina fotsifotsy ny Lagenaria sphaerica.
Any Tanzania dia ny vony lahy ihany no mamokatra mamimbony, izay sakafon' ny vorona soimanga ôliva (Cyanomitra olivacea), fa ny tena mpamindra vovobony dia ny tantely mpandrafitra (ao amin' ny vondron-karazana Xylocopa); ny vony vavy dia maka tahaka ny vony lahy nefa tsy misy mamimbony.
Any amin' ny toerana maha teratany an' ilay zavamaniry dia atao legioma ny raviny sy ny voany tsy matoy; sady tsy azo hanina no misy poizina ny voany matoy. Ampiasaina amin' ny fitsaboana ny ampahany isan-karazany amin' ilay zavamaniry, anisan' izany ny fakany.
Ankoatra ny fihinanana azy dia ampiasaina ho solon-tsavony ihany koa ny voany, ampiasaina ho poizina famonoana biby mpikiky (voalavo, sns) sy famonoana bibikely, ary ataon' ny ankizy baolina. Ity zavamaniry ity koa dia ampiasaina ho haingo.