Lagenaria siceraria

Ny Lagenaria siceraria dia karazana zavamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Cucurbitaceae. Maniry isan-taona izy io, ambolena hatao laoka noho ny voany mampiavaka azy. Ity voany ity dia nampiasaina rehefa maina hatramin' ny andro talohan' ny tantara any amin' ny faritra rehetra eran' izao tontolo izao mba hanamboarana zavatra isan-karazany (ohatra, fitoeran-javatra fitoeran-dranoka azo entina), ary mahalana ny fihinanana azy ho legioma tsy matoy.
Indreto ny anarana ahafantarana azy amin' ny teny malagasy[1]: arivolahy, giga, kasingy, kelematoe, kelimasesy, kelimatoa, kibota, londom-boatavo, lovia-kapila, monta, okotsotro, seka, taboara, tavo, terifanga, tsileonolongege, tsirebika, voambahimazana, voambahy, voatavo, voatavoarivolahy, voatavobe, voatavobozaka, voatavofotsy, voatavogiga, voatavohaolo, voatavokarandoha, voatavolahy, voatavomangidy, voatavombazaha, voatavomenaka, voatavomenakatodiakoho, voatavomerina, voatavomonta, voatavosatria, voatavotsiafakamboa, voatavovaza.