Lagenaria
Fiseho

Ny Lagenaria dia vondron-karazan-javamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Cucurbitaceae. Ahitana karazana fito, fara fahakeliny, ity vondron-karazana ity, izay samy teratany aty Afrika trôpikaly avokoa, ka ny Lagenaria siceraria no tena fantatra, izay novolen' ny olombelona, ary niparitaka any ivelan' i Afrika. Ny karazana hafa dia tsy ambolena.
Fampiasana azy
[hanova | hanova ny fango]Ny voany dia azo otazana tanora ary atao legioma. Amin' ny ankapobeny, ny voany dia jinjaina matoy, avy eo hamainina, ary ampiasaina amin' ny fanamboarana fitaovana, anisan' izany ny zavamaneno sy ny fitoeran-javatra an-dakozia (ampiasaina mba hitahirizana rano sy ranoka hafa hatry ny ela) na hatao haingon-trano.
Lisitry ny karazana
[hanova | hanova ny fango]- Lagenaria abyssinica (Hook. f.) C. Jeffrey
- Lagenaria breviflora (Benth.) Roberty
- Lagenaria guineensis (G.Don) C.Jeffrey
- Lagenaria rufa (Gilg) C. Jeffrey
- Lagenaria siceraria (Molina) Standl.
- Lagenaria sphaerica (Sond.) Naudin