Aller au contenu

L-DOPA

Avy amin'i Wikipedia

Ny Levôdôpa na DÔPA dia asidra amine voajanahary izay manana anjara toerana lehibe amin' ny fampandehanana ny rafi-pitatitra. Ny Dôpa dia hita ao amin' ny zavamaniry sasany toy ny agy na takilodambo (Mucuna pruriens) ary koa amin' ny zavamananaina an-dranomasina sasany, izay manana anjara toerana amin' ny fanaboarana dity. Ny narany feno dia 3,4-dihIdrôksifenilalaninina. Izy io dia akora ampiasaina amin' ny fitsaboana ny aretin' i Parkinson amin' ny fampitomboana ny dôpaminina.