Kristôlita

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Kristolita)

Ny Kristôlita dia sekta kristiana niseho tamin' ny taonjato faha-6 izay nino fa nidina tany amin' ny fiainan-tsy hita na fitoeran' ny maty i Jesoa, ka navelany tao ny fanahin' ny vatany sy ny vatana maha olona azy dia niakatra any an-danitra niaraka tamin' ny maha Andriamanitra azy izy. I Joany avy any Damaskôsy (Joany avy any Damasy) no miresaka ny amin' ny Kristôlita.