Krônôsy

I Krônôsy dia anisan' ny andriamanitra voalohany indrindra, araka ny filôzôfika tany alohan' i Sôkraty sy ny literatiora taty aoriana. Izy no fotoana izay notompoina toy ny andriamanitra, izay miseho voalohany indrindra ao amin' ny lovantsofina ôrfika, izay mihevitra azy ho zanak' i Gaia (ny Tany) sy Hidrôsy (Ὕδρος / Hydros, "rano" voalohany). I Nônosy (Nonnus) kosa dia mitantara fa nivoaka avy tao amin' ny Tsy Misy izy. Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Χρόνος / Khronos, "fotoana").
Voalaza fa nambady an' i Ananké (grika: Ἀνάγκη / Anágkē, "ilaina"), izay nananany zanaka telo, izy: i Kaôsy (Χάος / Kháos, "tresaka", "foana") sy i Etera (Αἰθήρ / Aithḗr, "famirapiratry ny mazava") ary i Fanesy (Φάνης / Phánēs, "ilay miseho"). Ao amin' ny fedrà aleksandrina sy rômana, i Krônôsy no rain' ireo Ora (latina: Horae; grika: Ὧραι / Hôrai, "fizaram-potoana"), fanehoana ny adiny roa ambin' ny folo amin' ny andro na alina. Misy ny mampifandray an' i Krônôsy (Χρόνος) amin' ilay titana atao hoe Krônôsy (Κρόνος). Marina fa vao mainka mety hitranga ny fampifangaroana satria manana toetran' ny fotoana koa ny titàna Krônôsy.