Aller au contenu

Korzety

Avy amin'i Wikipedia
Ravina sy vony ary voan' ny korzety

Ny korzety dia karazana zavamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Cucurbitaceae. Zavamaniry ahitra izy io. Atao hoe korzety ihany koa ny voany fihinana. Fahita amin' ny fahavaratra ny voan' ny korzety, ary ny voniny dia ampiasaina amin' ny fandrahoan-tsakafo ihany koa. Endriky ny karazana Cucurbita pepo, sy an' ny zanakarazana Cucurbita pepo subsp. pepo, ny korzety samihafa.

Toetoetrany

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny fianakaviana Cucurbitaceae ny korzety. Zavamaniry anana maniry amin’ ny tany mitangorongorona izy io. Avy amin' ny vihy izay nitsimoka rehefa mikasika amin' ny rano sy amin' ny tany ny zanaka korzety. Antsoina hoe kôtiledôna, izay mamelona ilay zavamaniry tanora ary avy eo mihintsana, ny ravina roa voalohany. Miseho amin' izay ny tena ravina. Miloko mavo ny voniny. Mitondra voninkazo lahy sy voninkazo vavy izay manome ny voany ny korzety.

Korzety

Voankazo lava na boribory ny voan' ny korzety, izay miloko maitso na mavo. Na dia voankazo aza izy io amin' ny heviny bôtanika, satria misy ny vihin' ilay zavamaniry, dia matetika ampiasaina ho legioma. Otazana tsy matoy ny voan' ny korzety rehefa mahatratra 20 sm eo ho eo ny halavany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]