Korian-drano
Fiseho

Ny korian-drano dia fandehanan'ny rano an-tanety eo anelanelan'ny loharano iray sy ny vinany iray na ny fihaonany amin'ny korian-drano hafa. Matetika mitohy io fikorianan'ny rano io saingy mety ho tsy hiserana mandritra ny fotoana maharitra. Ny toerana misy an'io fikoriana io dia lakan-drano, amin'ny ankapobeny voajanahary. Mety ho ambanin'ny tany ny korian-drano. Misy korian-drano vitsivitsy tsy manana loharano.
Teny marobe, amin'ny fiteny isan-karazany ao anatin'izany ny fiteny malagasy, no ampiasaina ho enti-manondro karazana korian-drano, anisan' izany ny hoe ony, renirano, kinga.