Konsily tao Jerosalema

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny Konsily tao Jerosalema na Konsilin'ny Apostoly dia fivoriana nataon'ireo Kristiana voalohany, indrindra ireo Apostoly tao Jerosalema izay tantaraina ao amin'ny Asan'ny Apostoly (Asa 15. 1-35) izay notarihin'i Jakoba ilay Marina sady nanapahana ny fisokafan'ny fiangonana jiosy kristiana amin'ny jentilisa tamin'ny taonjato voalohany taor. J.K.

Ny zava-nisy manodidina[hanova | hanova ny fango]

Araka ny Asan'ny Apostoly, rehefa niverina tany Antiokia i Paoly sy i Barnabasy (na Barnabe) dia nisy fifandirana teo amin'ireo amin'ny mpanaraka an'i Jesosy ny amin'ny hahafahan'ny Jenntinisa ho voavonjy na tsia. Izany fanontaniana izany no nentina tany Jerosalema.

Ny fivorian'ny Apostoly dia nandraisan'i Petera (na Piera) anjara sy loholona maro, nandray anjara tamin'izany koa i Jakoba ilay Marina. Izany dia namaliana ny fanontaniana ny amin'ny tsy maintsy hamorana na tsia ny Jentilisa mba hahavoavonjy azy ireo na ny fahampianan'ny finoana fotsiny an'i Jesosy Kristy. Tokony ho Jiosy ve aloha vao izay azo ekena ho isan'ny mpanara-dia an'i Kristy? Ny famorana sy ny fidirana ao amin'ny fianakaviambe jiosy ve ambinambin-javatra ka hahazoana manaiky ny Jentilisa ho Kristiana? Izany fanontaniana izany dia nataon'ireo Kristiana izay mbola nandairan'ny fampianaran'ny Fariseo ny amin'ny tokony hitandremana ny Lalàna, isan'izany ny famorana. I Petera anefa namelabelatra ny amin'ny nahatonga ny firenena jentilisa ho lasa mpino rehefa nahare azy nitory ny Filazantsara (na Vaovao Mahafaly).

Roa sosona izany fanontaniana izany ary ny lahatenin'i Petera dia niompana amin'ny famonjena fa ny an'i Jakoba kosa momba ny Lalàna. Hita taratra amin'izany ny anjatra asan'i Kristy ao amin'ny famonjena avy amin'Andriamanitra sy ny fandaminana ny fifandraisan'ny Jiosy sy ny Jentilisa tao amin'ireo fiangonana jodeo-kristiana voalohany.

Ny adihevitra[hanova | hanova ny fango]