Hankany amin'ny vontoatiny

Kolontsaina marolafy

Avy amin'i Wikipedia
Firenena voalahatra araka ny haavon' ny fahasamihafan' ny foko sy ny kolontsaina; ambany ny manga ary ambony ny volomboasary.

Ny kolontsaina marolafy, amin' ny sôsiôlôjia sy ny antrôpôlôjia ary ny filôzôfia pôlitika, dia ny fanekena ny fisian' ny kolontsaina maro miaraka izay iarahan' ny foko samihafa sy ifaneraserany nefa tsy mandà ny maha izy azy ireo manokana avy. Io andian-teny io dia misy dikany samihafa arakaraka ny taranja andalinana azy. Izy io dia manasongadina ny fahasamihafana ara-kolontsaina sy ny fetra ao anatin' ny vahoaka iray.