Kokolampo
Ny kokolampo na koko na kokolampy dia zavamananaina tsy hita maso, mitovitovy amin' ny olona, karazan' ny kalanoro. Mety ho tsara fanahy na ho ratsy fanahy ny kokolampo. Tsy hita maso ny kokolampo nefa hita ny asany sy ny vokatr' izany. Tiany ny miompy akoho mainty na osy mainty, dia ireo osy na akoho omen' ny olona mangataka fitahiana na fifonana aminy. Tian' ny kokolampo ny vilany vy sy ny arina. Raha mitsitokotoko mitambatra toy ny nirandrana ny volon' ny zazakely (izay tsy nokasihin-drano sady tsy nohetezana) dia lazaina fa noradranin-koko.
Araka ny voalaza ao amin' ny dia "karazan' olondia, iray karazana amin' ny Kalanoro sy Kotokely, saingy misy fanahy ratsy sy sompatra ao aminy, araka ny finoan' ny foko sasany; fa tsara sy manasoa olona kosa araka ny finoan' ny foko hafa".
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]Video
- "Kokolampo", Youtube