Hankany amin'ny vontoatiny

Kirihitrala

Avy amin'i Wikipedia

Ny kirihitrala dia faritra na tany izay misy hazo madinika maro, matevina ary mifampidimpiditra sy mitsitokotoko. Ny kirihitrala, izay zara raha azo idirana, dia foronin' ny karazan-kazo madinika, mandrakotra farafahakeliny 40 % amin' ny velaran-tany (kirihitrala manify) na mihoatra izany (kirihitrala matevina). Ny fanombanana ny tahan' ny fandrakofan' ny kirihitra (latsaky ny 75 %) dia ahafahana manombana ny ambana mety hateraky ny fikatonan' ny toerana.