Kirary

Ny kirary dia zavamaniry ao amin' ny vondron-karazana Datura ao amin' ny fianakaviana Solanaceae. Io narana malagasy io dia anondroana karazan-javamaniry roa fara-fahavitsiny, dia ny Datura metel sy ny Datura stramonium var. tatula.
Ny momba azy ireo amin' ny ankapobeny
[hanova | hanova ny fango]
Matetika hita eny amin' ny korontam-pako sy manodidina ny tanàna ary eny amin' ny tanimboly izy ireo. Ny voan' izy ireo no taovany misy poizina indrindra. Ny raviny dia misy alkalôida toy ny hiôsiaminina sy ny atrôpinina ary ny skôpôlaminina. Ny poizina dia miteraka fisokafana tsy ara-dalànan' ny anakandriamaso.
Fampiasana azy
[hanova | hanova ny fango]Matetika ny mpanao raokandro no manome azy io ho fanafody fanasitranana ny aretin-tsaina sasany. Any amin' ny faritra atsimon' ny Nosy dia misy mpanao raokandro milaza fa manasitrana areti-nify amin' ireo karazana ireo, ampiarahina amin' ny fantsimboay (Argemone mexicana) sy ny hosa (Adenia firingalavensis). Ireo zavamaniry telo ireo diasamy tena misy poizina.