Hankany amin'ny vontoatiny

Kinakoho

Avy amin'i Wikipedia
Kinakoho (Datura metel)

Ny kinakoho na kinananakoho dia zavamaniry ao amin' ny vondron-karazana Datura sy ao amin' ny fianakaviana Solanaceae. Ny anarana ara-tsiansa mifanandrify aminy dia Datura metel. Anisan' ny Datura metel na mitovy aminy ny Datura alba sy ny Datura fastuosa.

Ahidratsy mahazatra eny an-tanimboly sady mety maniry manodidina ny tanàna ambanivohitra izy io. Ny hodim-boany mafy sy misy tsilo maro dia mampahatsiahy ny an' ny kinana (Ricinus communis), saingy iva kokoa io zavamaniry io, ka izany no niavian' ny anarany amin' ny teny malagasy. Misy poizina (skôpôlaminina) ny voany. Ny raviny maina dia fohina toy ny paraky mba hanamaivanana ny sohika. Ny raviny malemy notorotoroina dia ampiasaina hampitoniana ny nify simba.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]