4 Mi (Madagasikara)
Ny 4 Mi na Quatre Mi na Katirami dia olona mahantra faraidiny eo amin' ny fiarahamonina malagasy an-drenivohitra. Misedra olana maro ireo olona ireo ary matetika iharan' ny fanilikilihana. Ao anatin' ny fahantrana lalina sy miaina an-dalambe ireo olona ireo.
Tamin' ny voalohany dia fanafohezana ny hoe "Mifoka, Miloka, Migoka, Mivaro-tena" ny hoe 4 Mi[1]. Mampiseho taratra ny fitondran-tena izay matetika heverina fa ananan' ireo tanora ireo ny matoanteny efatra na dia tsy izy rehetra aza no mandray anjara amin' ireo hetsika ireo. Taty aoriana dia nahafaoka ny olona mahantra an-drenivohitra, eny fa na ambanivohitra aza, io anarana io, na dia tsy mifoka na miloka na migoka na mivato-tena aza ilay olona.
Antony maro no mahatonga ny fisian' ny 4 Mi. Ao ny fahantrana lalina izay manosika ny tanora maro handao ny tranon-dray aman-dreniny (izay mahantra ihany koa) sy hipetraka eny an-dalambe mba hanana fizakan-tena amin' ny fivelona. Ao koa ny tsy fahampian' ny fanabeazana sy ny tsy fahampian' ny fiofanana amin' ny asa ary ny tsy fahafahana miditra amin' ny tsenan' ny asa ka mametra ny hoavin' ireo tanora ireo. Manampy trotraka koa ny fikorontanan' ny fianakaviana sy ny fanarian-jaza. Mba hiatrehany izany toe-javatra sarotra izany dia mialokaloka amin' ny fidorohana zava-mahadomelina ny tanora sasany ka vao mainka mampitombo ny fahasahiranany izany.
Maro ny vokatry ny fiainana an-dalambe amin' ny 4 Mi, ka anisan' izany: ny faharatsian' ny fahasalamana vokatry ny areti-mifindra, ny tsy fahampian-tsakafo, ny herisetra; ny fanilikilihana sy fanavakavahana ataon' ny fiarahamonina; misy ireo izay voataona hanao heloka bevava mba hahafahany miaina.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- "Dans les rues d'Antananarivo, les "4 mi" ", in Voyage Aventure Madagascar, 10 février 2010
- "Madagascar 4mi ", in Sébastien Le Clezio.
- "Les nuits tananariviennes : citadinités et marginalités en construction", Marie Morelle, Catherine Fournet-Guérin, HAL, 14 Oct 2016.
- "Peste, « Quatre-mi » et Darwin", in Midimadagasikara, 23 octobre 2017.
- "Le combat du Père Pedro pour les « 4 Mi » de Madagascar", Le Monde, 01 mars 1996.
- "Madagascar: Pauvreté - Les 4'mis, source d'insécurité et d'insalubrité", Allafrica, 7 Février 2013.