Kapsaisinina

Ny kapsaisinina dia akora simika ao amin' ny fianakavian' ny alkalôida ary izy no singa miasa ao amin' ny sakay (Capsicum). Mampamaivay ny sela ivelan' ny temitra amin' ny biby mampinono izy io ka miteraka fahatsapana fahamaizana ao anaty vava, fahatsapana izay azo heverina ho toetra miavaka eo amin' ny lafiny tsiro. Raha jerena amin' ny lafiny biôlôjika ity akora ity dia mampihena ny mety hisian' ny biby hihinana ny voan' ilay zavamairy sy hisorohana ny fotomboan' ny holatra (Fungi), ka miaro koa ny vihim-boany. Ankoatra izany dia tsy misy fiantraikany amin' ny vorona izy io (tsy toy ny amin' ny biby mampinono) ka manamora ny fiparitahan' ny vihim-boa izany. Sokajiana ho anisan' ny "metabôlita faharoa" io môlekiola io. Vokarin' ny sakay ny kapsaisinina sy ny amida maro hafa mitovitovy aminy (kapsaisinôida). Akora mivaingana sady kristaly, tsy mety levona anaty rano, ny kapsaisinina madio.