Hankany amin'ny vontoatiny

Kaoitry

Avy amin'i Wikipedia

Ny kaoitry dia karazana mozika sy dihy nentim-paharazana mihetsiketsika avy eto Madagasikara, any amin' ny faritra avaratra-andrefan' ny Nosy, indrindra ny manodidina ny tanànan' i Mahajanga.

Miavaka noho ny gadona haingana ny kaoitry. Mitady angovo be ny dihy kaoitry, miaraka amin' ny fanetsehana ny andilana sy ny fanaovana famindrana haingana. Atao amin’ ny zavamaneno toy ny amponga sy ny gitara indrindraindrindra ny kaoitry nefa amin' izao fotoana izao dia ampiasaina koa ny zavamaneno toy ny gitara beso sy ny klavie. Matetika maka singa avy amin' ny salegy ny kaoitry izay indraindray heverina ho zana-karazan' ny salegy, na dia manana ny mampiavaka azy manokana aza izy. Miely patrana any amin’ ny faritra avaratr’ i Madagasikara ny salegy, fa any amin’ ny faritr' i Mahajanga kosa ny kaoitry.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]