Hankany amin'ny vontoatiny

Kankandio

Avy amin'i Wikipedia
Schistosoma mansoni

Ny kankandio na sokoraty dia kankana katsentsitra ao amin' ny fianakaviana Schistosomatidae, mahatonga ny aretina takilodrano na bilariziôzy ao amin' ny olombelona. Anisan' ny sampan' ny Platyhelminthes (kankana fisaka), ao amin' ny kilasy Trematoda, ao amin' ny filaharana Strigeatida, ao amin' ny fianakaviana Schistosomatidae izay mamorona ny vondron-karazana Schistosoma, izy io, ka ny mpamiantrano farany dia biby mampinono (olombelona sy biby hafa).

Lisitry ny karazana

[hanova | hanova ny fango]

Indreto ny karazana kankandio ao amin' ny vondron-karazana Schistosoma:

  • Schistosoma mansoni, ao amin' ny olombelona, tompon' andraikitra amin' ny bilharziôzy an-tsinay aty Afrika, any Amerika trôpikaly ary any Antilia.
  • Schistosoma haematobium, ao amin' ny olombelona, tompon' andraikitra amin' ny bilharziôzy ao amin' ny tatavia aty Afrika sy any India ary ao amin' ny Saikinosin' i Arabia.
  • Schistosoma japonicum, ao amin' ny olombelona, tompon' andraikitra amin' ny bilharziôzy ao amin' ny lalandra lehibe, any Sina sy Japana ary Tailandy.
  • Schistosoma mekongi, ao amin' ny olombelona, tompon' andraikitra amin' ny bilharziôzy ao amin' ny lalandra lehibe, any Sina sy Japana ary Tailandy.
  • Schistosoma intercalatum, ao amin' ny olombelona, tompon' andraikitra amin' ny bilharziôzy ao amin' ny tsinaimbody.
  • Schistosoma bovis, ao amin' ny omby sy ny ondry ary ny soavaly
  • Schistosoma nasale, ao amin' ny omby sy ny soavaly
  • Misy koa ny kankandio safiotra.