Kambim-bahatra

Ny kambim-bahatra na kambom-bahatra dia bonkona amin' ny fakan-javamaniry vokatry ny fiovan' ny tsibolon-tsentsitra amin' ny faka, izay novolavolain' ny zavamaniry sasany mba hanatsarana ny otrikaina azôta (na nitrôzenina) azony amin' ny alalan' ny bakteria sasany. Ireo bakteria ireo dia manamboatra azôta avy amin' ny atmôsfera, indrindra amin' ny fakan' ny karazan-javamaniry maro ao amin' ny fianakaviana Fabaceae antsoina koa hoe Leguminosa (toy ny tsaramaso) sy fianakavian-javamaniry maro hafa (Ulmaceae, Betulaceae, Casuarinaceae, Eleagnacaceae, Myricaceae, Rosaceae, sns.).
Ao anatin' io fiaraha-miaina manokana io, dia manome ny akora misy karbônina ny zavamaniry ary ny bakteria kosa miantoka ny akora misy azôta azo avy amin' ny atmôsfera. Ny bakteria ao amin' ny vondron-karazana Rhizobium sy Bradyrhizobium no anao izany asa izany.
Fikarakarana ekôlôjika mahasoa ho an' ny fambolena ny famikirana azôta eo amin' ny kambim-bahatra. Manampy amin' ny fampihenana ny fampiasana zezika misy azôta izany ary mampihena ny vola lany sady mampihena koa ny fanimbana ny tontolo iainana amin' ny fambolena voamanina, indrindra ny sôzà.