Kalifata

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Kalifaty)

Ny kalifata na kalifaty dia fitondrana mozilmana entin' ny kalifa (arabo خليفة) izay karazana emperora sady lehibem-pivavahana. Avy amin' ny teny arabo hoe خلافة / khilafat ny teny hoe kalifata. Ny kalifa no mpanjakan' ny Ummah (ny vahoaka mozilmana rehetra), izay fehezin' ny lalàna Shari'a. Azo adika ara-bakiteny hoe "mpandimby" na "solontena" ny teny hoe kalifa. Taorian' ny nahafatesan' ny mpaminany Mohamady tamin' ny taona 632 dia antsoina hoe "Khalifat Rasul Allah", ny mpitondra voalohany ny fanjakana mozilmana, izany hoe mpandimby ara-pôlitika ny voairak' Andriamanitra.

Talohan' ny nahatongavan' ny finoana silamo, ny mpanjaka arabo dia nampiasa ny anaram-boninahitra hoe malik (izay midika hoe "mpanjaka", "mpanapaka", "mpitondra"), na anarana hafa avy amin' ny fototeny mitovy.

Kalifata maromaro no nisy hatramin' ny niorenan' ny finoana silamo, taorian' ny ady teo amin' ireo mpitaky hahazo ny anaram-boninahitry ny mpandimby ny mpaminany Mohamady, taorian' ireo kalifa efatra voalohany, fantatra amin' ny anarana hoe Rashidun ("notarihina marina"). Ny kalifata tena manan-danja dia:

Ny teny hoe kalifata[hanova | hanova ny fango]

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe kalifa dia avy amin' ny teny arabo hoe خَليفة / khalīfah, izay midika hoe "mpandimby", "mpitantana", na "solombavambahoaka" ary noheverina tamin' ny fomba mahazatra. fanafohezana ny hoe Khalīfat Rasūl Allāh ("mpandimby ny irak' Andriamanitra"). Na izany aza, ny fandinihana ny lahatsoratra talohan' ny silamo dia manondro fa ny dikan' ilay andian-teny tany am-boalohany dia "mpandimby nofidin' Andriamanitra".

Fampiasana hafa an' ilay teny[hanova | hanova ny fango]

Io teny io koa dia ampiasaina hanondroana ny fitondrana ara-pôlitika mihitsy sy ny vanim-potoana nampiharana azy (ohatra, "tamin' ny kalifatan' i Harun al-Rashid"). Marihina anefa fa ny teny hoe khalîfa (kalifata) dia tsy voafetra amin' io fampiasana azy ara-pôlitika amin' ny teny arabo io.

Ny kalifata nifandimby[hanova | hanova ny fango]

Ny Kalifata Rasidona[hanova | hanova ny fango]

Ny Kalifata Rasidona

Ny Kalifata Rasidona no kalifata voalohany nandimby ny mpaminany silamo Mohamady. Ny kalifa efatra voalohany nifandimby taorian' i Mohamady (i Abu Bakr, i Omar, i Othman, ary i Ali) no nitondra azy io taorian’ ny nahafatesan' ity mpamimany ity tamin’ ny taona 632 taor. J.K. Nandritra ny fisiany, ity kalifata ity no hery ara-toekarena sy ara-kolontsaina ary ara-tafika natanjaka indrindra tany Azia Andrefana.

Ny Kalifata Omeiada[hanova | hanova ny fango]

Ny Kalifata Omeiada tamin' ny taonjato fahavalo.

Anisan' ny kalifata islamika lehibe nisy taorian' ny nahafatesan' ny mpaminany Mohamady ny Kalifata Omeiada. Io no kalifata lehibe nanjaka tamin' ny faritra misy an' i Pakistàna hatramin' ny faritra misy an' i Espaina, anisan' ny fanjakana nivelatra indrindra teto an-tany: ny velarany tamin' ny taonjato fahafito dia 13 tapitrisa km2 (velaran' i Sina sy India mitambatra).

Ny Kalifata Abasida[hanova | hanova ny fango]

Ny Kalifata Abasida

Ny Kalifata Abasida no kalifata fahatelo amin' ireo kalifata islamika efatra lehibe indrindra teo amin' ny Empira Arabo, nandimby ny Kalifata Omeiada. Niforona tao Harran tamin' ny taona 750 ity kalifata ity ary nafindra avy any Harran ho any Bagdad ny renivohiny tamin' ny taona 762. Niroborobo nandritra ny taonjato roa izy, ary naharitra ny fisiany na dia teo aza ny fikomian’ ny Zanja (869-883). Nifarana tamin' ny taona 1258 ny fitondran' ny Abasida rehefa nanongana ny manampahefana tao Bagdad ilay Môngôly atao hoe Hulagu Khan.

Ny Kalifata Fatimida[hanova | hanova ny fango]

Fivoaran' ny Kalifata Fatimida

Kalifata siita notarihin' ny tarana-mpanjaka Fatimida ny Kalifata Fatimida, izay nanjaka tany Ifriqiya teo anelanelan' ny taona 909 sy 969, ary avy eo tany Ejipta teo anelanelan' ny taona 969 sy 1171. Naorin' i Ubayd Allah al-Mahdi tamin' ny taona 909 miaraka amin' ny fanohanan' ireo fokom-pirenena Ketama ao Maghreb afovoany, izay nanaraka ny siisma, dia nahafaoka ny ampahany be amin' i Afrika Avaratra sy i Sicilia ary ampahany amin' ny Atsinanana Afovony.

Ny Kalifata Almôhada[hanova | hanova ny fango]

Ny Kalifata Almôhada tamin' ny faratampon' tanjany tamin'ny taona 1180–1212

Kalifata sonita berbera niorina tamin' ny taonjato faha-12 ny Kalifata Almôhada. Rehefa tonga tamin’ ny fara tapon' ny tanjany izy dia nifehy ny ankamaroan’ ny Saikanosy Iberika (Al-Andalus) sy i Afrika Avaratra (Maghreb).

Ny Kalifata Ôtômana[hanova | hanova ny fango]

Ny Empira Ôtômana tamin' ny taona 1914.

Ny Kalifata Ôtômana dia ny fitondran' ny Tiorka Ôtômana tao amin' ny Empira Ôtômana tamin' ny tapany farany amin' ny Andro Antenatenany sy tamin' ny fiandohan' ny vanim-potoana môderina.