Kalenda
Fiseho
Ny kalenda dia ny andro voalohany amin' ny volana ao amin' ny tetiandro rômana, ny andron' ny tsinam-bolana rehefa nanaraka ny tsingerin' ny Volana ny tetiandro (taonan' i Romulus sy Numa Pompilius). Amin' ny teny latina antitra izany dia atao hoe kǎlendāī, -āsōm; fa amin' ny teny latina klasika kosa dia kǎlendae, -ārum.
Amin' io andro io no nanambaran' ny pôntifa ny datin' ny fety miovaova daty amin' ny volana manaraka ary ny ny mpitrosa dia tsy maintsy nandoa ny trosany voarakitra ao amin' ny calandria, boky misy kaonty, izay niandohan' ny teny hoe kalandrie ("tetiandro").
I Aogosto no nampalaza ny "kalenda grika", mba hanambaràna hetsika ahemotra amin' ny fotoana tsy voafetra.