Kalanchoe tomentosa

Ny Kalanchoe tomentosa dia karazan-javamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Crassulaceae. Avy any afovoan' i Madagasikara izy io, izay maniry amin' ny tany granita any amin' ny faritra Ambositra. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe falatanantsifaona na felatanantsifoana. Kalanchoe tomentosa Baker no anarany ara-tsiansa feno.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]
Ny ravin' ny Kalanchoe tomentosa izay manaingo sy ny voniny miendrika lakolosy ary ny faniriny mijoro mahitsy no tena itiavan' ny olona azy. Kirihitra mahatratra haavo iray metatra izy io ho an' ny ovan-karazany sasany.
Ravina
[hanova | hanova ny fango]

Lava sy matevina ary manana halava 2 hatramin' ny 10 sm sady mipioitra amin' ny faritra iray amin' ny vatany ny ravin' ny Kalanchoe tomentosa izay miloko volondavenona-manga-maitso miaraka amin' ny sisiny somary misy pentina volomparasy sy rakotra volovolo fotsy. Ireo ravina ireo koa dia mety hisy helokeloka misy tendro maranitra. Maitso volondavenona maitso ny tahony izay rakotra volovolo malemy fotsy.
Vony
[hanova | hanova ny fango]Manana halava 1,5 sm sy miloko mavo maitso misy sisina volomparasy ary mivondrona ho salohy ny vonin' ny Kalanchoe tomentosa izay miendrika fantsona sy lakolosy kely. Misy ovan-karazana maro novolena ny Kalanchoe tomentosa.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Kalanchoe
- Felantanantsifoana: Kalanchoe pinnata (Lam.) Pers.; Kalanchoe tomentosa Baker.