Kabary famangiana tera-bao
Ny kabary famangiana tera-bao dia kabary nentim-paharazana malagasy atao amin' ny fitsidihana ny vehivavy sy ny fianakaviana nahazo zazakely vao haingana. Anisan' ny kabary an-kafalana izy io, tsy toy ny kabary famangiana amin' ny fahoriana amin' ny fisaonana. Ity kabary ity dia manambara tso-drano, fankasitrahana, fifaliana iombonana, ary firaisankina amin' ny maha mpiara-monina.
Fizotran' ny kabary
[hanova | hanova ny fango]Mpamangy
Tompokolahy sy tompokovavy.
Sambatra ny vary: afafy miara-maniry, akarina miara-mitoetra: tohan' ain' ny olombelona, reharehan' ny manana azy.
Fa samba mihoatra lavitra noho izany ianareo ray aman-dreny: notahin' ilay Nahary ka tafavoaka tamin' ny lamba fito sosona ary tafita soa aman-tsara ka nahazo ny dimby sy fara: zaza hitomany hanala fahanginana an-trano, ankizy hilalao handravaka ny tokontany, tanora hitombo fahendrena fiharatra jerena, ary rahatrizay lehibe tonga taiza dia hanemitra voninahitra anareo nahitany masoandro amam-bolana.
Koa arahabainay ianareo fa namafy dia nahavokatra, bevohoka dia nanao soa, tonga andro dia niavy mora.
Arahaba nahazo ny menaky ny aina: handimby ny anaran-dray ary handova ny anaran-dreny, hifanantitra amin' ny mpianakavy.
Enga anie ny zaza: tsy ho tian-drofy, hankahala ny tambaviana ary ho lavitry ny kely aizana[1], ka hitombo faingana fa maika hamaly babena an' i Dada sy Neny.
Ary hirariana mba hitombo fitia amin' Andriamanitra.
Manaraka izany, vary tsara tohan-jezika mamokatra ary ny zaza tsara tohan-dronono mitombo. Koa indro manolotra ny solon-drom-patsa ho fiombonan' adidy amin' ny fanalehibiazana ny zaza izahay.
Vangiana:
Misaotra tompoko namangy sy nirary soa ary mbola nanome vola ho fiombonan' aina aminay, amin' izao fitaizana ny zanakay izao. Fantatray fa tsy tia amin' ny teny na amin' ny lela fontsiny ianareo, fa amin' ny marina ihany koa.
Tsy hovoavalinay izao fa ny hataonay anareo dia hoy izahay: Ilay Avo fipetraka iva fijery, be fahasoavana ampy mizara: tompon' ny harena ary mpanome ny soa anie hamaly fitia anareo.
Mankasitraka indrindra tompoko.
Mpamangy: Mahasoava dia tongava taiza ny zaza tompoko.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Ny zaza manan-jandry ao an-kibo no atao hoe "aizana"