Aller au contenu

Kôsmôgrafia

Avy amin'i Wikipedia

Ny kôsmôgrafia dia ny siansa misahana ny famariparitana izao rehetra izao. Ny hevitr' io teny io taloha, indrindra tamin' ny Andro Antenatenany, dia tena malalaka, satria anisan' izany ny jeôlôjia sy ny jeôgrafia ary ny astrônômia tamin' izany fotoana izany. Avy amin' ny teny grika hoe κόσμος / kósmos, izay midika hoe "izao rehetra izao" sy ny hoe γράφειν / gráphein izay midika hoe "manoratra".

Mpahay siansa sy manam-pahaizana maro no kôsmôgrafa, toa an' i Cosmas Indicopleustes, i Aethicus Ister, i Anonymous of Ravenna (taonjato faha-7), i Al-Qazwini (taonjato faha-13), i Martin Behaim (1459–1507), i Martin Waldseemüller (manodidina ny 1470–1521), i Sebastian Münster (1470–1588), i Petrus Apianus (1495–1552), i Gerard Mercator (1512–1594), i Livio Sanuto (1520–1576), i Ignazio Danti (1536–1586), i Diego Ramírez de Arellano (1565-1624), i Alain Manesson Mallet (1630–1706), i Vincenzo Coronelli (1630–1706).

Amin' izao fotoana izao dia misy heviny vaovao ny teny hoe kôsmôgrafia, izay mahafaoka ny fanandramana famariparitana amin' ny ambaratonga lehibe momba jeômetria sy ny sinematikan' ny Kôsmôsy sy ny tontolo hita maso, tsy miankina amin' ny môdely kôsmôlôjika na inona inona.