Kônsily tao Tôlôsa, taona 1229
Ny Kônsily tao Tôlôsa tamin' ny taona 1229 dia kônsily natao hiatrehana ny firoborobon' ny fampianara-diso tao Eorôpa Atsinanana tamin' ny taonjato faha-13. Tao Tôlôsa (frantsay: Toulouse; latina: Tolosa) no nanatanterahana izany ka nisy ny fandaminana matipaika momba ny mpanao fampianaran-diso (heretika) sy ny famaizana azy ireo. Tamin' ny taonjato faha-13 dia tanàn-dehibe nanana ny maha izy azy i Tôlôsa ka nanjaka tanteraka tamin' ny faritr' i Lengadôka (oksitàna: Lengadòc; frantsay: Languedoc).
Notanterahina tamin' ny fiafaran' ny ady tamin' ny Albigesy (frantsay: Albigeois), izay nofaizin' ny Inkizisiôna, izany kônsily izany, ka anisan' izany ny fandrarana hamaky Baiboly, ny fandrarana hanana Baiboly amin' ny fiteny andavanandron' ny olona, ny fandrarana ny fandikan-teny ny Baiboly avy amin' ny teny latina ho amin' ny fiteny andavanandron' ny olona, ny fananganana ny Oniversiten' i Tôlôsa, ny fanangana tafika hiadiana amin' ny fampianara-diso.