Juncaceae
Fiseho

Ny Juncaceae dia fianakavian-javamaniry mamony, mônôkôtiledôna, manana karazana miisa 464, mizara ho vondron-karazana 6 hatramin' ny 9. Izy ireo dia zavamaniry ahitra na hazo madinika (mahalana) hita amin' ny toerana mando, amin' ny toerana mangatsiaka ka hatramin' ny faritra manana toetany antonony (hatramin' ny faritra be tendrombohitra trôpikaly). Ao amin' ity fianakaviana ity dia ahitana zavamaniry ao amin' ny vondron-karazana Juncus L. izay manana ravina varingarina amin' ny ankapobeny ary ny vondron-karazana Luzula DC. izay manana ravina fisaka.
