Jostinôsy Martira

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Jostinosy Martira)
I Jostinosy Martiry

I Jostinôsy Martira na Jostinôsy Martiry na Jostinôsy avy any Napôlisy dia mpanoratra mpiaro ny fivavahana kristiana (mpanao apôlôjia) sady filôzôfa teraka tamin' ny taonjato faha-2 sy maty martira tamin' ny taona 165 tao Rôma. Maro ny boky nosoratany tamin' ny teny grika nefa ny ankamaroany dia very afa-tsy ny Απολογίες ("Fiarovana ny finoana") sy ny Προς Τρύφωνα Ιουδαίον Διάλογος ("Resaka tamin' i Trifôna"), izay heverina ho isan' ireo soratra nisarahan' ny jodaisma sy ny kristianisma. Izy no azo lazaina ho filôzôfa kristiana voalohany ka izany no iantsoana azy indraindray hoe Jostinôsy Filôzôfa. Voaheloka i Jostinôsy raha nanda ny handray anjara amin' ny fivavahana amin' ny sampy ka notapahin-doha tamin' ny taona 165.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]