Joshua Nkomo

I Joshua Mqabuko Nyongolo Nkomo dia revôlisiônera sy mpanao pôlitika zimbaboeana izay filoha lefitr' i Zimbaboe tamin' ny taona 1990 hatramin' ny taona 1999 nahafatesany. Teraka tamin' ny 19 Jona 1917 izy ary maty tamin' ny 1 Jolay 1999. Nanangana sy nitarika ny Zimbabwe African People's Union (ZAPU) izy tamin' ny taona 1961 hatramin' ny nitambaran' io antoko io amin' ny Zimbabwe African National Union (ZANU), antokon' i Robert Mugabe, tamin' ny taona 1987, izay namorona ny Zimbabwe African National Union – Patriotic Front (ZANU–PF) taorian' ny fanerena nataon' ny tafika anatiny antsoina hoe Gukurahundi tany amin' ny ilany andrefan' i Zimbaboe, izay nikendry indrindra ny ZAPU mpanohana ny foko Ndebele.
Mpitarika sendika malaza izy, izay nandroso ka kasa filohan' ny National Democratic Party voarara, ary nogadrain' ny governemantan' ny fotsy hoditra vitsy anisa tao Rôdesia nandritra ny folo taona. Taorian' ny famotsorana azy tamin' ny taona 1974, dia nandray anjara tamin' ny fianjerana an' io governemanta io ny ZAPU, niaraka tamin' ny ZANU mpifaninana aminy, izay niforona tamin' ny taona 1963.
Tamin' ny taona 1983 dia natahotra ny ainy i Nkomo tany am-piandohan' ny Gukurahundi, ka nandositra ny firenena. Taty aoriana tamin' ny taona 1987 dia nanao sonia ny Unity Accord, izay niteraka resabe, izy, sonia nahafahan' ny ZAPU hitambatra amin' ny ZANU mba hampitsaharana ny fandripahana.
Nahazo anaram-bositra maro i Nkomo, toy ny hoe "Umafukufuku" amin' ny teny ndebele, "Father Zimbabwe" amin' ny teny anglisy, ary "Chibwechitedza" ("ilay vato malama") amin' ny teny sôna.
| I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Joshua Nkomo |