Jorefo
Fiseho

Ny jorefo dia rano miangona kely sy tsy maharitra, matetika avy amin' ny ranon' orana, ao anatin' ny lempona amin' ny tany tsy tantera-drano. Amin' ny ankapobeny dia mirefy 10 sm ka hatramin' ny metatra vitsivitsy ny savaivony na ny halavan' ny jorefo. Rehefa lany ny rano mamatsy azy dia manjavona ao anatin' ny ora vitsivitsy na andro vitsivitsy na herinandro vitsivitsy ny jorefo iray, arakaraka ny toetrandro sy ny toetany, ny karazana tany ary ny velarany, vokatry ny fitsihan' ny rano na ny fietony.