Jodeo-kristianisma

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny jodeo-kristianisma dia fihetsiketsehana na fivavahana kristiana nipotra tamin'ny Jiosy mitandrina ny Lalàn'i Mosesy (na Môizy). Izany fitenenana izany, izay vao noforonin'ny teolojiana kristiana tamin'ny taonjato faha-19 ka nanjaka nandritra ny fotoana lava ny fandalinana ara-tantara ilay lohahevitra, dia nisy naohitra tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-21. Voalohany dia mitaky ny hamoronana ny teny hoe "pagano-kristianisma" izany. Faharoa, mba hialana amin'ny hevitra manalasala dia tokony ny kristianisma ivelan'ny taona 135 no ampiharana io teny io, ka anondroana ireo vondrona tsy nanaraka ny ankamaroan'ny Kristiana toy ny Nazoreana sy ny Ebionita ary ny Elkasaita, ohatra.

Ny jodeo-kristianisma tamin'ny Andro Taloha[hanova | hanova ny fango]

Ny Nazoreana[hanova | hanova ny fango]

Ny Nazoreana dia vondrona ara-pivavanana jiosy mesianika izay fanta-pisiana tamin'ny taonjato voalohany, izay manaiky an'i Jesosy ho Mesia nefa manaja ny lalàm-pivavahan'ny Jiosy ka tsy mino ny maha Andriamanitra azy. Niantsoana antoko na sekta jodeo-kristiana niaina tamin'ny taonjato faha-4 izay nitandrina ny Lalàn'i Mosesy sy nino ny maha Andriamanitra an'i Jesosy ny anarana hoe Nazareana na Nazoreana.

Ny Ebionita[hanova | hanova ny fango]

Ny Ebionita dia ireo Jiosy kristiana tamin'ireo taonjato voalohandohany nisian'ny kristianisma izay mino ny maha Mesia an'i Jesosy nefa manda ny maha Andriamanitra sy ny fiteraham-birijiny azy sady manamafy ny tokony hitandremana ny Lalàn'i Mosesy sy ny fombam-pivavahana jiosy. Tsy mampitovy ny Ebionita amin'ny atao hoe Kristiana Jiosy (na Jodeo-kristiana) ny mpikaroka sasany, sahala amin'ny Nazareana. Ny mpikaroka hafa anefa, toy ny nataon'ny Rain'ny Fiangonana, dia milaza fa vondron'olona iray ihany ny Ebionita sy ny Nazareana.

Ny Elkasaita[hanova | hanova ny fango]

Ny Elkasaita dia ireo tao amin'ny fikambanana ara-pivavahana jodeo-kristiana batista sinkretika manam-pirehana gnostika izay sady isan'ny jodaisma amin'ny ankapobeny amin'ny lafiny sasany, no isan'ny jodaisma nazoreana.