Jodea (faritany rômana)

I Jodea na Jodia dia faritany rômana noforonina tamin' ny taona 6 taor JK tao amin' ny faritry ny Fanjakana Hasmôneana sy Fanjanana Herôdiana. Avy amin' ny anaran' ny Fanjakan' i Jodà taloha ny anarany. Mandrakotra ny faritr' i Jodea (na Jodia) sy ny an' i Samaria ary ny an' i Idomea izy io. Amin' ny teny latina izy io dia atao hoe Iudaea (misy "i" sorabaventy)
Nanomboka tamin' ny 63 tal JK ny fitsabahan' i Rôma tamin' ny raharahan' i Jodea, rehefa nifarana ny Ady fahatelon' i Mitridatesy, rehefa teo ambany fiarovan' ny Rômana (prôtektôrata) i Siria. Ny jeneraly rômana Pômpeio no teo amin' ny toeran' ny mpitsara tamin' ny ady an-trano teo amin' i Hirkano II sy Aristôbolo II izay samy andriana hasmôneana. Lasa fanjakana mizakatena eo ambany fahefan' i Rôma tamin' ny andron' i Herôda I Lehibe i Jodea, ary tamin' ny fiandohan' ny taonjato voalohany taor JK dia lasa faritany tao amin' ny Empira Rômana taorian' ny nanonganana an' i Herôda Arkelaôsy. Nitranga ny fikomiana telo tamin' i Rôma (ny Ady jiosy-rômana voalohany sy ny Adin' ny Diaspôra ary ny Fikomian' i Bar Kokhba), taorian' izay dia novan' ny emperora Hadriano ho Siria-Palestina (latina: Syria Palæstina: "Siria palestiniana") ny anaran' ilay faritany ary nanova an' i Jerosalema ho tanàna rômana antsoina hoe Aelia Capitolina koa izy.