Jiosy igbo

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny Jiosy igbo na Jiosy ibo dia isan'ny foko igbo ao Nizeria izay manaraka ny fivavahana jiosy sady milaza ny tenany fa tavy amin'ny fifindra-monin'ny Hebreo sy ny Jiosy taty aoriana, avy tany Afrika Avaratra sy tany Egipta ka nankany Afrika Andrefana. Ny lovantsofina ao amin'ireo Igbo ireo dia mitantara fa io fifindra-monina io dia niseho tany amin'ny 1500 taona tany aloha. Ny ankamaroan'ny Jiosy anefa dia tsy mihevitra ny Igbo ho tena Jiosy.

Ny Igbo dia milaza ny tenany fa avy amin'ny fokon'i Efraima sy ny fokon'i Naftaly sy ny fokon'i Manase sy ny fokon'i Levy sy ny fokon'i Zebolona ary ny fokon'i Gada. Izany fiheverana izany anefa tsy voamarin'ny fandalinana tsara ny tantara. Ny mpahay tantara dia nandinika ny literatiora ara-tantaran'i Afrika Andrefana tamin'ny vanimpotoan'ny fanjanahantany sady nanao izay hampazava tsara ny anjara asa sahanin'izany fiheverabna izany ho an'ireo olona manohana sy nanoratra izany [1] [2].

Amin'izao fotoana izao dia misy sinagoga miisa 26 ny any Nizeria ary ny vahoaka jiosy igbo dia heverina fa miisa 40 000 any ho any, raha miisa 140 000 000 ny Nizeriana. Ny Igbo any Abuja no betsaka indrindra ary no ahitana ny singogan'i Gihon sy ny an'i Port Harcourt ao amin'ny tapany atsimon'i Nizeria. Ny fivavahan'ny Jiosy igbo dia tarihin'ny raby Hoxard Gorin[3].

Tsy ny Jiosy igbo ihany no foko ao Nizeria miaiky ny tenany fa taranaka jiosy, fa ao koa ny foko hafa izay samy manaraka ny jodaisma ka ny sasany aminy dia ao amin'ny foko Iôroba.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. Sanders, Edith (1963). "The Hamitic Hypothesis: Its Origin and Functions in Time Perspective". Journal of African History. 10 (4): 521–532. JSTOR 179896.
  2. achernuk, Philip (1994). "Of Origins and Colonial Order: Southern Nigerians and the 'Hamitic Hypothesis' c. 1870-1970". Journal of African History. 35 (3): 427–55. doi:10.1017/s0021853700026785. JSTOR 182643.
  3. Joanne Palmer, "How a Nice Jewish Boy Became a Chief Rabbi in Nigeria" [Tahiry], United Synagogue of Conservative Judaism, 2006.