Jesosy avy any Nazareta

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

I Jesosy avy any Nazareta na Jesoa avy any Nazareta na Jeso avy any Nazareta dia Jiosy tany Palestina. Izy no foto-pisian'ny Fivavahana kristiana.

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Ny hoe Jesosy na Jesoa[hanova | hanova ny fango]

Ny anarana hoe Jesoa dia hita ao amin'ny Baiboly katolika amin'ny teny malagasy fa ny Jesosy kosa ao amin'ny Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy. Ny hoe Jesosy dia fanagasiana ny teny anglisy hoe Jesus, izay avy amin'ny teny latina hoe Iesus, izay avy amin'ny teny grika hoe Ἰησοῦς / Iêsoûs, izay avy amin'ny teny hebreo hoe Yeshua na Yehoshua.

Ny anarana hebreo lava hoe Yehoshua no ampiasaina amin'ny endrika fohy hoe Yeshua. Izany teny izany dia ahitana ny hoe Yeho na Yeh izay fanovan'ny hoe Yaho na Yah (sahala amin'izay hita ao amin'ny hoe Halelu Yah) izay fanafohezana ilay anaran' Andriamanitra hoe Yahweh na Jehovah. Ny hoe Yehoshua izany dia azo adika hoe "Mpamonjy i Yahweh" na "Yahweh dia famonjena". Mitovy fototra sy dika ny hoe Jesoa sy Josoa (na Jôsoe) izay samy avy amin'ny teny hoe Yehoshua na Yeshua.

Avy any Nazareta[hanova | hanova ny fango]

I Nazareta dia tanàna ao avaratr'i Israely any Galilea. Araka ny lovantsofina kristiana dia ao no tanànan'i Josefa sy i Maria izay nitaizan'izy ireo an'i Jesoa tamin'ny fahazazany.

Niantsoana ireo mpianatr'i Jesosy ny hoe Nazoreana na Nazareana na Nazarena sady niantsoana an'i Jesosy tenany, noho izy nandany ny fahazazany tao Nazareta. Nantsoin'ny Jiosy (na Jody) tamin'io anarana io ihany koa ny Kristiana voalohany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]