Jejilava
Fiseho
Ny jejilava dia zavamaneno vita amin' ny tahon-kazo lava tokony ho roa metatra asiana tadiny, mihenjana toy ny tsipika, ka voatavo maina no afatotra eo akaikin' ny tendrony ambany mba hanamafisana ny feony. Ny tanana havia dia mitazona azy mahitsy, ka apetraka eo amin' ny kibo ny voatavo na somary ahataka kely mba hanamafisana ny feo; ny fanondro havia no atsindry ny tadiny hampakarana kely ny feo; ny tanana havanana dia mively ny tady amin' ny tsorakazo kely. Ity zavamaneno ity dia ampiasain' ny mpiandry omby antandroy izay miventy antsa miaraka amin' ny katsà (faray). Vita amin' ny hazo malefaka ny fikapohana, ary vita amin' ny tsiraka taretra izay rakofana amin' ny ditin-kazo ny tadiny.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Mozika
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Mireille Rakotomalala, "Pratique musicale à Madagascar", Kabaro, revue internationale des Sciences de l’Homme et des Sociétés, 2004, Diversités et spécificités des musiques traditionnelles de l’Océan Indien, II (2-3), pp.67-82. ffhal-03484808f