Jean-Jacques Goldman
Jean Jacques Goldman
| |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Jean Jacques Goldman | ||
Teraka | 11 oktobra 1951 | ||
Toerana | Parisy-Frantsay | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Frantsay | ||
Asa : | Mpihira
Mpamoron-kira | ||
Asa hafa | Mpitendry gitara sy vata marofitsoka
Mpandrindra hira | ||
Taona niasana | 1974-2004 | ||
Fiainana manokana | |||
mombamomba azy
[hanova | hanova ny fango]Jean-Jacques Goldman dia teraka ny 11 oktobra 1951 tao&amin'ny boriborintany faha-9 tao paris.Izy dia mpihira sady mpamoron-kira frantsay, mpamokatra ary mpitendry gitara sôlista amin'ny gadon-kira somary miovaova sy pop rock indrindra indrindra.
vondrona nisy azy
[hanova | hanova ny fango]Rehefa avy nandrafitra tao amin'ny vondrona Red Mountain Gospellers izy, dia nanangana iray hafa, dia tsy inona izany fa " Ny Phalansters ", avy eo dia nanatevin-daharana an'i Tai Phong tamin'ny taona 1975, noho ny « fahaiza-manao avo lenta mifanaraka tsara amin'ny mozikany » . Nafana fo tamin'ny asan'ny mpandrindra hira sy ny fihirana amin'ny teny anglisy izy [1], namoaka ny rakikirany voalohany ny tarika tamin'ny 1975, voamariky ny lohateny hoe "Sister Jane" [1] . Nihaona tamin'i Michael Jones Franco - Welsh izy izay tonga nisolo toerana azy rehefa nandeha nitsidika ny vondrona [1] .
Maha izy azy
[hanova | hanova ny fango]Na izany aza, amin'ny ankapobeny dia ny asany irery no ahafahany mametraka ny tenany ho iray amin'ireo mpihira malaza indrindra amin'ny taranany, miaraka amin'ny lohateny toy ny hoe :"Il suffira d'un signe" (1981), "Quand la musique est bonne" ( 1982 )," Je te donne ( 1985 )" . Nanomboka tamin'ny taona 1990-1995, dia anisan'ny trio Fredericks Goldman Jones niaraka tamin'i Michael Jones sy ny American Carole Fredericks izy, talohan'ny nanohizany ny asany irery, izay notapahiny tamin'ny taona 2002.
Rakikirany
[hanova | hanova ny fango]Amin'ny fitambarany, namidiny, araka ny loharanom-baovao samihafa, nanomboka tamin'ny 28,5 millions ka hatramin'ny rakitsoratra maherin'ny 30 millions tamin'ny anarany manokana. Ny rakikira rehetra (sivy) sy ny rakitsary mivantana (enina) navoakany hatramin'ny fiandohan'ny taona 1980 dia manana mari-pankasitrahana platinum farafaharatsiny ( 300 0000 no santionany navoaka tamin'izany ). Valo amin'ireo rakikirany no nahazo diamondra, voamarina (mihoatra ny iray tapitrisa dika mitovy) : rakikira fito sy rakitra boky iray. Valo amin'ireo singany no nahazo mari-pankasitrahana volamena, anisan'izany ny fito navoaka tamin'ny taona 1980, nivarotra mihoatra ny 500 000 karazany ny tsirairay. Anaram-boninahitra telo hafa tamin'ny taona 1980 no volafotsy voamarina (mihoatra ny 250 000 karazany tsirairay). Ny hira "Je te donne" navoaka tamin'ny 1985, no fahombiazana ara-barotra lehibe indrindra nataony tamin'ny fanamarinana platinum (mihoatra ny iray tapitrisa kopia amidy).