Jeôpôlitika
Ny jeôpôlitika dia fandalinana ny fiantraikan' ny jeôgrafia amin' ny pôlitika iraisam-pirenena sy ny fifandraisana iraisam-pirenena. Fomba andalinana ny pôlitika ivelany mba hahatakarana sy hanazavana ary haminavina mialoha ny fihetsika ara-pôlitika iraisam-pirenena amin' ny alalan' ny ova ara-jeôgrafia. Anisan' izany ny fanadihadiana isam-paritra, momba ny toetany, momba ny tôpôgrafia, momba ny demôgrafia ary momba ny harena voajanahary. Avy amin' ny teny grika hoe γῆ / gễ , izay midika hoe "tany", sy πολιτική / politikḗ, izay midika hoe "pôlitika", ny teny hoe jeôpôlitika.
Famaritana maro no nomena: fandalinana ny "fifandraisana eo amin' ny anton-javatra ara-jeôgrafia sy ny vondrona pôlitika" (André-Louis Sangguin); "taranja miezaka manazava ny fiforonan' ny hery pôlitika eny amin' ny habaka" (Fondation des études pour la défense nationale); "famakafakana ara-jeôgrafia momba ny toe-javatra ara-piarahamonina sy ara-pôlitika" (Michel Foucher). Teo amin' ny tantara, ny teny hoe jeôpôlitika dia manondro ny fifandraisam-pahefana eo amin' ny samy firenena, nefa io teny io dia mihatra amin' ny ankapobeny amin' ny fandalinana ny fifandraisan' ny fahefana eny amin' ny habaka, na inona na inona habeny, anisan' izany ny eny ifotony.
Hita ao amin' ny mpanoratra tamin' ny vanim-potoana klasika toa an' i Montesquieu ny fisaintsainana jeôpôlitika. Na izany aza, tany Alemaina no niforona ilay voan-kevitra tamin' ny taonjato faha-19, teo ambany fitarihan' i Friedrich Ratzel. Nivoatra tany Frantsa sy tany Britaina Lehibe ary tany Etazonia ilay taranja. Satria natao haha ara-dalàna ny pôlitikan' ny fanitaran-tany alemàna ary avy eo haha ara-dalàna ny foto-pisainan' ny Nazi, dia tsy nampiasaina intsony io taranja io taorian' ny Ady Lehibe Faharoa. Ny asa nataon' ny oniversitera toa an' i Yves Lacoste tamin' ny taompolo 1980 dia nahafahana nanavao ilay taranja, izay nahazo ny maha ara-dalàna azy tanteraka sy nanomboka nampianarina indray.