Jeôgrafian' i India

Ny jeôgrafian' i India dia iresahana ny tanim-pirenen' i India amin' ny lafiny ara-jeôgrafia. , ka anisan' izany ny jeôgrafia fizika sy ny jeôgrafian' olombelona. Mivelatra amin' ny halavana 7 000 km i India. Mizara sisintany amin' i Pakistàna izy any andrefana, sy amin' i Sina, amin' i Nepaly, amin' i Botàna any avaratra. I Bangladesa sy i Mianmara no any atsinanana. Eo amin' ny Ranomasimbe Indianina dia tsy lavitra azy ny Repoblikan' i Maldiva (any atsimo-andrefana) sy i Srilanka (any atsimo-atsinanana). Mizara sisin-tany amin' i Afganistàna koa i India any avaratra-atsinanana. Miavaka noho ny fisian' ny ampahany amin' i Himalaya (tandavan-tendrombohitra avo indrindra eran-tany) sy ny ony lehibe telo ny vohon-tanin' i India. Ireto ireo ony ireo: i Indosy sy i Ganges (renirano manan-kasina ho an' ny fivavahana hindoa) ary i Brahmaputra. Miavaka ny toetany noho ny fisian' ny rivotra mosôna (misy orana mahery amin' ny fahavaratra).
Jeôgrafia fizika
[hanova | hanova ny fango]Mivelatra amin' ny halavana 7 000 km i India. Mirefy 3 287 263 km2 ny velarany. Mizara sisintany amin' i Pakistàna izy any andrefana, sy i Sina, i Nepaly, i Botàna izy any avaratra. I Bangladesa sy i Mianmara any atsinanana. Eo amin' ny Ranomasimbe Indianina, tsy lavitry ny Repoblikan' i Maldiva (any atsimo-andrefana), i Seilàna (any atsimo-atsinanana). Mizara sisintany amin' i Afganistàna koa i India any avaratra-atsinanany. Ny vohontanin' i India dia miavaka noho ny fisian' ny ampahany amin' i Himalaya (tandavan-tendrombohitra avo indrindra eran-tany) sy ny ony lehibe telo: i Indosy sy i Ganges (renirano manan-kasina ho an' ny Hindoa) ary i Brahmaputra. Miavaka ny toetany noho ny fisian' ny rivotra mosôna (misy orana mahery amin' ny fahavaratra).
An' i India ny ampahany be amin' ny Zana-Kôntinenta Indianina. Miraikitra amin' i Aostralia ilay zana-kôntintenta amin' ny resaka plaky: ny plaky Indô-Aostralianina. Mikasika kely ny tendrombohitra Himalaya ny avaratr' i India. Eo antsimon' i Himalaya dia misy saha tena mahavokatra indrindra any India: ny tany Indô-Ganjetìka no anaran' izy io. Any andrefana, misy ny tanimatin' i Thar. Any antsimo, dia misy lembalemba voafaritra any avarany amin' ny Gaty Andrefana sy any antsinanany amin' ny Gaty Antsinanana.
Fizaràn' ny tanim-pirenena
[hanova | hanova ny fango]Fanjakana mizaka tena
[hanova | hanova ny fango]| Anarana | Renivohitra | Teny ofisialy | Velarantany (km²) | Isam-ponina (2001) | Natsangana tamin'ny |
|---|---|---|---|---|---|
| Andhra Pradesh | Hyderabad | Telogo | 276 754 | 76 210 007 | 1956 |
| Arunachal Pradesh | Itanagar | Hindy | 83 578 | 1 097 968 | 1987 |
| Assam | Dispur | Asamey | 78 438 | 26 655 528 | 1947 |
| Bengala Andrefana | Kolkata | Bengaly | 88 752 | 80 176 197 | 1960 |
| Bihar | Patna | Hindy | 94 163 | 82 998 509 | 1947 |
| Chhattisgarh | Raipur | Hindy | 135 133 | 20 833 803 | 2000 |
| Goa | Panaji | Kônkany | 3 702 | 1 347 668 | 1987 |
| Gujarat | Gandhinagar | Gujarati | 196 024 | 50 671 017 | 1960 |
| Haryana | Chandigarh | Hindy | 44 212 | 21 144 564 | 1966 |
| Himachal Pradesh | Shimla | Hindy | 55 673 | 6 077 900 | 1971 |
| Jammu-sy-Kasimira | Srinagar | Kasmiry, ordo | 222 236 | 10 143 700 | 1947 |
| Jharkhand | Ranchi | Hindy | 79 714 | 26 945 829 | 2000 |
| Karnataka | Bangalore | Kanada | 191 791 | 52 850 562 | 1956 |
| Kerala | Trivandrum | Malaialama | 38 863 | 31 841 374 | 1956 |
| Madhya Pradesh | Bhopal | Hindy | 308 000 | 60 348 023 | 1956 |
| Maharashtra | Mumbai | Maraty | 308 000 | 96 878 627 | 1960 |
| Manipur | Imphal | manipory | 22 356 | 2 166 788 | 1972 |
| Meghalaya | Shillong | Garô, kasy, anglisy | 22 489 | 2 318 822 | 1972 |
| Mizoram | Aizawl | Mizo, anglisy | 21 087 | 888 573 | 1987 |
| Nagaland | Kohima | Anglisy | 16 527 | 1 990 036 | 1963 |
| Orissa | Bhubaneswar | Ôria | 155 842 | 36 804 660 | 1949 |
| Penjab | Chandigarh | Penjaby | 50 362 | 24 358 999 | 1956 |
| Rajasthan | Jaipur | Hindy | 342 239 | 56 507 188 | 1956 |
| Sikkim | Gangtok | Nepaley | 7 107 | 540 851 | 1975 |
| Tamil Nadu | Chennai | Tamily | 130 058 | 62 405 679 | 1956 |
| Tripura | Agartala | Bengaly | 10 477 | 3 199 203 | 1972 |
| Uttarakhand | Dehradun | Hindy | 53 483 | 8 489 349 | 2000 |
| Uttar Pradesh | Lucknow | Hindy | 236 286 | 166 197 921 | 1950 |