Hankany amin'ny vontoatiny

Jatropha multifida

Avy amin'i Wikipedia
Jatropha multifida

Ny Jatropha multifida dia karazana zavamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Euphorbiaceae. Izy io dia hazobotry any Amerika trôpikaly (hatrany Meksika ka hatrany Brezila) sy any Karaiba.

Zavamanirin-jaridaina izy io, izay nampidirina tany Florida, sy tany amin' ny toerana maro any Amerika Atsimo, aty Afrika, any amin' ny Zana-kôntinanta Indiana, any Sina ary any Azia Atsimo Atsinanana.

Misy poizina kely izy io ary miteraka fahasahiranana eo amin' ny fahasalaman' ny vavony sy ny tsinay ny fihinanana azy.

Fanoritsoritana

[hanova | hanova ny fango]
Jatropha multifida
Vonin' ny Jatropha multifida

Ity hazobotry ity, izay manana sampana vitsy, dia mahatratra haavo 2 ka hatramin' ny 4 m. Izy io dia manana ravina maitso antitra lehibe, izay entina tangozan-dravina saika mitovy halava amin' ny ravina. Mizarazara toa tongo-ganagana (mizara 9 ka hatramin' ny 11), manana savaivo mirefy 15-30 sm, ny raviny. Izy ireo dia feno na mipoitra ary lava amin' ny tendrony. Mavo ny vatan' ilay zavamaniry ary mena ny voniny. Mirefy 4 hatramin' ny 7 mm ny felamboniny. Mipetaka eny an-tendron-drantsana toa fehezam-boninkazo misy tongony lava ny vondrom-boniny. Mavo, misy nofony, manana hodiny mafy, tsy azo hanina, misy vihy lehibe roa na telo ny voany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]