Hankany amin'ny vontoatiny

Jatropha mahafalensis

Avy amin'i Wikipedia

Ny Jatropha mahafalensis dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Euphorbiaceae. I Henri Lucien Jumelle sy Joseph Marie Henry Alfred Perrier de la Bâthie no namaritra azy io voalohany. Ny Jatropha mahafalensis dia ao amin' ny vondron-karazana Jatropha. Tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara ity zavamaniry ity, indrindra fa any amin' ny manodidina an' i Toliara, any amin' ny Lembalemba Mahafaly[1][2], ary indraindray ambolena hanaovana fefy, mitovy amin' ny savoa (Jatropha curcas). Karazana hafa mifandraika amin' io koa ny Jatropha multifida, izay nampidirina any amin' ny faritra amorontsiraka ary ambolena eny an-jaridaina. Amin' ny teny malagasy izy io, araka ny Rakibolana sy Rakipahalalana malagasy, dia atao hoe atatra, betatra, hatatra, katratra, tatatra, tatra, tatratra ary tatsa[3]. Amin' ny teny malagasy izy io dia atao hoe atatra, betatra, hatatra, katratra, tatatra, tatra, tatratra, tatsa.

Fampiasana azy

[hanova | hanova ny fango]

Indostria

[hanova | hanova ny fango]

Ahitana menaka mora mietona an-drivotra 35 ka hatramin' ny 50 %, izay manana taharo mitovy amin' ny an' ny menaka kinana, ny vihin' ny Jatropha mahafalensis[4]. Azo ampiasaina amin' ny indostria izany menaka izany: loko, fanaovana savony, jiro[4][5].

Fitsaboana sy poizina

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny fitsaboana nentim-paharazana malagasy, ity zavamaniry ity dia azo ampiasaina ho fampivalanana (fanadiovana kibo), fa tsy tokony homena ny ankizy na ny olona marefo tsinay, satria mety hiteraka fivalanan-dra. Misy poizina ny vihy sy ny sisa amin' ny fanodinana ary tsy mety atao ho sakafon' ny olona na biby. Nahatonga ny loza lehibe sy mahafaty mihitsy aza ny fitelemana izany, indrindra fa amin' ny fampiasana azy ho fampivalanana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. "Jatropha mahafalensis Jum. & H. Perrier", www.ethnopharmacologia.org
  2. "Développement d'un schéma pour la valorisation de l'espèce Jatropha mahafalensis sur le Plateau Mahafaly", gemaha.cirad.fr
  3. "Jatropha", tenymalagasy.org
  4. 1 2 "Jatropha mahafalensis for rural energy supply in south-western Madagascar?", www.sciencedirect.com
  5. "Jatropha mahafalensis oil from Madagascar: Properties and suitability as liquid biofuel", www.best-research.eu