Jatropha

Ny Jatropha dia vondron-karazan-javamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Euphorbiaceae, ao amin' ny filaharana Malpighiales. Avy amin' ny teny grika hoe ἰατρός / iatros, midika hoe "mpitsabo", sy τροφή / trophe, midika hoe "sakafo" ny anarany. Ahitana karazan-javamaniry miisa 180 eo ho eo ity vondrona ity. Teratany any Amerika, ny ankamaroan' izy ireo nefa misy karazana 66 hita any amin' ny Tontolo Taloha. Manana voniny lahy sy vavy misaraka ny zavamaniry ao amin' io vondrona io.



Tahaka ny mpikambana maro ao amin' ny fianakaviana Euphorbiaceae, ny Jatropha dia misy akora izay tena misy poizina. Nampiasaina tamin' ny fandrariana (harona sns) sy tamin' ny fanomanana ny hoditra ary tamin' ny fandokoana ny karazana ao amin' ny Jatropha. Tamin' ny taompolo 2000, ny karazana iray, ny savoa (Jatropha curcas) dia niteraka fahalianana amin' ny maha voly ahazoana menaka azy amin' ny famokarana biôdiezely ary nahazo lanja ara-pitsaboana rehefa nampiasaina amin' ny famokarana menaka fandrehetan-jiro. Tamin' ny alalan' ny fifantenana dia namolavola fanovan' ny Jatropha curcas tsy misy poizina ny Meksikana teratany any amin' ny faritr' i Veracruz, ka miteraka fidiram-bola tsara kokoa rehefa ampiasaina ho loharanon' ny biôdiezely, noho ny sisam-panodinana azo hanina. Mety hiverina ny poizina raha toa ka voalonaky ny fanova misy poizina ny Jatropha azo hanina.
Karazana
[hanova | hanova ny fango]

Ahitana karazan-javamaniry miisa 180 eo ho eo ity vondrona ity, izay miseho amin' ny endrika hazobotry sy hazo. Indreto ny karazana voafantina:
- Jatropha bullockii E.J.Lott
- Jatropha cathartica Terán & Berland.
- Jatropha chamelensis Pérez-Jiménez
- Jatropha costaricensis G.L.Webster & Poveda
- Jatropha curcas L. – savoa
- Jatropha dioica Sessé
- Jatropha elliptica (Pohl) Oken
- Jatropha gossypiifolia L.
- Jatropha integerrima Jacq.
- Jatropha macrantha Mull. Arg
- Jatropha mahafalensis Jum. & H.Perrier
- Jatropha moranii Dehgan & G.L.Webster
- Jatropha multifida L.
- Jatropha nudicaulis Benth.
- Jatropha podagrica Hook.
- Jatropha rivae Pax
- Jatropha unicostata Balf.f.