Japôney

Ny Japôney dia vahoaka aziatika tatsinanana teratany any amin' ny Vondronosy Japôney. 97,1 % amin' ny mponina ao Japàna ny Japôney. Olona 125 tapitrisa eo ho eo maneran-tany no taranaka japôney, ka mahatonga azy ireo ho anisan' ny vondrom-poko lehibe indrindra. Japôney miisa 119,9 tapitrisa eo ho eo no monina ao Japàna, ary 5 tapitrisa eo ho eo ny zanaka am-pielezana japôney.
Amin' ny toe-javatra sasany, ny teny hoe "Japôney" dia azo ampiasaina hilazana manokana ny Iamatô (Yamato), izay avy amin' ny nosy mnan-danja indrindra ara-tantara ao Honshu sy ao Kyushu ary ao Shikoku ary mandrafitra ny vondrona lehibe indrindra. Amin' ny toe-javatra hafa dia mampiditra vondrona hafa teratany ao amin' ny Vondronosy Japôney io teny io, anisan' izany ny Riokioana, izay mifandray amin' ny Iamatô saingy matetika heverina ho miavaka, ary ny Aino (Ainu). Tao anatin' ny folo taona farany dia nitombo ihany koa ny isan' ny olona mananam-piaviana japôney sy tsy japôney, anisan' izany ny Japôney safiotra.