Hankany amin'ny vontoatiny

Ixora

Avy amin'i Wikipedia
Ixora coccinea

Ny Ixora dia vondron-karazan-javamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Rubiaceae, ao amin' ny filaharana Gentianales. Izy irery ihany no vondron-karazana ao amin' ny foko Ixoreae. Ahitana karazany eo amin' ny 544 eo ho eo izy io, izay ahitana hazo sy hazobotry maitso ravina mandavan-taona any amin' ny faritra mafana sy mando (trôpikaly). Na dia teratany any amin'ny faritra trôpikaly sy sobtrôpikaly manerana izao tontolo izao aza izy, dia any Azia trôpikaly no tena ahitana karazany maro samihafa indrindra amin' izy io. Ny Ixora koa dia hita matetika koa any amin' ny faritra manana toetany sobtrôpikaly any Etazonia, toy ny any Florida. Ixora L. no anarana ara-tsiansa feno iantsoana azy.

Famariparitana

[hanova | hanova ny fango]

Manana ravina matevina sy henjana, izay mirefy eo anelanelan' ny 3 sy 15 sm, ny zavamaniry ao amin' ny vondron-karazana Ixora, ary mamokatra sampahom-bony lehibe ahitana vony marobe mandritra ny fahavaratra. Mety tsara amin' ny karazana Ixora ny tany misy asidra. Malaza amin' ny fanaovana fefy velona ihany koa izy ireo any amin' ny faritra sasany any Azia Atsimo-Atsinanana. Any amin' ny faritra mafana sy mando (trôpikaly) dia mamony mandritra ny taona izy ireo ary matetika ampiasaina amin' ny fanompoam-pivavahana hindoa, sy amin' ny fitsaboana nentim-paharazana indiana.

Anarana hafa iantsoana azy

[hanova | hanova ny fango]
Ixora coccinea

Indreto ny anarana ara-tsiasa hafa niantsoana ny Ixora:

  • Becheria Ridl.
  • Bemsetia Raf.
  • Captaincookia N.Hallé
  • Charpentiera Vieill.
  • Doricera Verdc.
  • Hitoa Nadeaud
  • Myonima Comm. ex A.Juss.
  • Panchezia Montrouz.
  • Patabea Aubl.
  • Schetii Adans.
  • Siderodendrum Schreb.
  • Sideroxyloides Jacq.
  • Thouarsiora Homolle ex Arènes
  • Tsiangia H.H.Hsue & P.T.Li
  • Versteegia Valeton

Karazana notsongaina

[hanova | hanova ny fango]
Ixora chinensis

Indreto misy karazana notsongaina:

  • Ixora albersii K.Schum.
  • Ixora amplidentata De Block
  • Ixora backeri Bremek.
  • Ixora beckleri Benth.
  • Ixora brevipedunculata Fosberg
  • Ixora calycina Thwaites
  • Ixora chinensis Lam.
  • Ixora coccinea L.
  • Ixora elongata B.Heyne ex G.Don
  • Ixora euosmia K.Schum.
  • Ixora finlaysoniana Wall. ex G.Don
  • Ixora foliosa Hiern
  • Ixora homolleae De Block & Govaerts (← Ixora littoralis (Homolle) Guédès; Thouarsiora littoralis Homolle ex Arènes)
  • Ixora johnsonii Hook.f.
  • Ixora jucunda Thwaites
  • Ixora killipii Standl.
  • Ixora lawsonii Gamble
  • Ixora malabarica (Dennst.) Mabb.
  • Ixora margaretae (N.Hallé) Mouly & B.Bremer
  • Ixora marquesensis F.Br.
  • Ixora mooreensis (Nadeaud) Fosberg
  • Ixora nigerica Keay
  • Ixora nigricans R.Br. ex Wight & Arn.
  • Ixora ooumuensis J.Florence
  • Ixora panurensis Müll.Arg.
  • Ixora pavetta Andr.
  • Ixora peruviana (Spruce ex K.Schum.) Standl.
  • Ixora pudica Baker
  • Ixora raiateensis J.W.Moore
  • Ixora raivavaensis Fosberg
  • Ixora rufa Müll.Arg.
  • Ixora saulierei Gamble
  • Ixora setchellii Fosberg
  • Ixora st-johnii Fosberg
  • Ixora stokesii F.Br.
  • Ixora temehaniensis J.W.Moore
  • Ixora ulei K.Krause
  • Ixora umbellata Valeton
  • Ixora yavitensis Steyerm.

Karazana misy eto Madagasikara

[hanova | hanova ny fango]

Misy karazana Ixora 40 na mihoatra tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara na teratany eto, misy koa ny karazana nampidirina:

  • Ixora alexandri De Block
  • Ixora ambrensis De Block
  • Ixora amplidentata De Block
  • Ixora ankazobensis De Block
  • Ixora bathieana Bremek.
  • Ixora bemangidiensis Guédès
  • Ixora betamponensis De Block
  • Ixora capuroniana De Block
  • Ixora casei Hance (nampidirina avy any Mikrônezia)
  • Ixora catocarpa De Block
  • Ixora chinensis Lam. (avy Azia Atsimo Atsinanana)
  • Ixora clandestina De Block
  • Ixora coccinea L. (nampidirina avy any India na Srilanka)
  • Ixora crassipes Boivin ex De Block
  • Ixora cremixora Drake (hitra ao Kômôro koa) -- madosoravy
  • Ixora decaryi De Block
  • Ixora densithyrsa De Block
  • Ixora elliotii Drake ex De Block
  • Ixora emirnensis Baker
  • Ixora finlaysoniana Wall. ex G.Don (avy any Azia)
  • Ixora foliicalyx Guédès
  • Ixora fuscovenosa De Block
  • Ixora gautieri De Block
  • Ixora guillotii Hochr.
  • Ixora homolleae De Block & Govaerts (← Ixora littoralis (Homolle) Guédès; Thouarsiora littoralis Homolle ex Arènes)
  • Ixora hookeri (Oudem.) Bremek. (hita ao Môzambika koa)
  • Ixora humblotii Drake
  • Ixora javanica (Blume) DC. (avy any Java sy Azia Atsimo Atsinanana)
  • Ixora lagenifructa De Block
  • Ixora lavandulacea De Block
  • Ixora longipedicellata De Block
  • Ixora mangabensis A.DC.
  • Ixora masoalensis De Block
  • Ixora microphylla Drake
  • Ixora mocquerysii A.DC.
  • Ixora moramangensis De Block
  • Ixora nana Robbr. & De Block
  • Ixora pallens De Block
  • Ixora peculiaris De Block
  • Ixora pedalis De Block
  • Ixora perrieri De Block
  • Ixora platythyrsa Baker
  • Ixora pudica Baker
  • Ixora quadrilocularis De Block
  • Ixora rakotonasoloi De Block
  • Ixora reducta Drake ex Guédès
  • Ixora regalis De Block
  • Ixora reynalii De Block
  • Ixora ripicola De Block
  • Ixora sambiranensis Homolle ex Guédès
  • Ixora sessililimba De Block
  • Ixora siphonantha Oliv.
  • Ixora trichocalyx Hochr.
  • Ixora trimera Guédès

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]