Hankany amin'ny vontoatiny

Itriôma

Avy amin'i Wikipedia
Itriôma

Ny itriôma dia singa simika manana ny laharana atômika 39, sy tondroina amin' ny eva Y. Izy io dia singa tetezamita izay manana toetra ara-tsimia mitovy amin' ny an' ny lantanida, ary voasokajy teo amin' ny tantara, miaraka amin' ny skandiôma sy ny lantanida, ho anisan' ny tany hamatra. Manana miratoerana marin-toerana tokana voajanahary (89Y) ny itriôma, izay mahatonga azy ho singa toka-marintoerana voajanahary sy singa tokam-bihy. Manana endrika metaly ny vatana tsotra amin' ny itriôma. Ao amin' ny natiora dia tsy hita mitokana ao amin' ny toerana niaviany ny itriôma, fa matetika miaraka amin' ny lantanida ao amin' ny akora mineralin' ny tany hamatra.

Ny fampiasana lehibe indrindra ny itriôma dia amin' ny famokarana fôsfôro, toy ny ampiasaina amin' ny fahitalavitra misy tioban-dahiniba na amin' ny LED na DEL. Ny fampiharana hafa dia ny famokarana lahinaratra (lahiniba sy lahinabo), elektrôlita, sivana elektrônika, lazera ary fitaovana mpampita aratra avo lenta, ary fampiharana ara-pitsaboana isan-karazany.

Ny itriôma dia tsy manana anjara asa biôlôjika fantatra, fa ny fifampikasohana amin' io metaly io dia mety hiteraka aretin' ny havokavoka ao amin' ny olombelona.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]